Alaivo sary an-tsaina : I'Anja tany Toliara, Handi tany Marovoay. Raha taloha, sarotra ny hieritreritra hoe ahoana moa no hahatongavan'izany. Saingy amin'izao, nampifanakaiky ny teknolojia. Nanomboka nifampiresaka, dia mbola nifampiresaka foana… ary tsy ela dia lasa appel vidéo indray mandeha, indroa, in-10, tsy tambo isaina intsony. Connexion miadana, jiro tapaka, fotoana tsy ampy, tsy nahasakana. Rehefa afaka herinandro vitsivitsy, Handi no nanao ny dingana manaraka (ie, io heritreretinareo io). Volana vitsy taorian’ilay “hey” voalohany, tonga saina hoe "Ay tena ianao ilay izy". Dia niaraka, tafaraka, ary mbola hiaraka. *************** So ... we were both in Madagascar… just not anywhere near each other. I'Anja was down in the south, Handi was way up north. Opposite ends of the island. And somehow, don’t ask us how, we still matched on a dating app. We started chatting, then chatting some more, and before we knew it, video calls became our thing. Screens, bad internet, lots of laughs. A few weeks in, Handi made the move (yes, that move). Few months after our very first “hey,” we realised : Okay… this is real. We’re a couple. And that’s where our story really began.